RDJ 21 taona: hankalazaina amin’ny hetsika ara-javakanto

Mankalaza ny faha-21 taona nijoroany ny Radio des jeunes (RDJ), eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao. Nisantarana izany ny fiarahana nifety tamin’ireo mpankafy maro tetsy amin’ny La City Ivandry, nanomboka omaly. « Tanjona ny hahafahana mifanerasera sy mifampiresaka amin’ireo mpankafy ity onjam­peo ity ka antony nanaovana ny hetsika», hoy ny filoha, tale jeneralin’ny radio RDJ, Rasolojaona Tahiana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana, omaly. Anisan’ny mampiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity ny fanomezan-danja ny hetsika ara-javakanto maro samihafa. Nambarany fa ezahina atao betsaka ireo hetsika ireo mandritra ity fanamarihana ny fety ity mba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Hisy ny famerenana ny mozika rap tamin’ny taona 90, amin’ny 9 aogositra izao. Hanafana ny hetsika amin’ny faran’ny volana aogositra kosa ny tarika Johary. Ny tarika Rossy indray kosa amin’ny fiandohan’ny volana septambra. Hisy ihany koa ny he­tsika mahakasika ny “Question pour un champion”. Atao isaky ny alahady hariva natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ary ny mpianakavy iray manontolo mihitsy. Azo henoina amin’ny maridrefy 96.6 sy amin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisana ary ny tambajotran-tserasera ihany koa ny onjampeo.

Mino

Partager sur: