Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonondry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra izany, ny efa-dahy nangalatra vilany miisa efatra sy fotsim-bary 15 kg. Tsy vitan’io, noraofin’ireo tsy valahara ireo niaraka amin’ny saosisy 120 ladina. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary, natao famotorana izy efatra. Mpamerin-keloka efa namita sazy intelo teny am-ponja ny iray. Natolotra ny fampanoavana avokoa ireo voasambotra ka notanana vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.