Feno 21 taona ny RDJ. Niavaka kely ny
nanamarihan’ny Onjampeon’ny tanora izany, satria nivoaka ny efitrano fitenenana ka natao nivantana avy teny amin’ny La City Ivandry avokoa ny fandaharana rehetra, nanomboka tamin’ny «Rivotra» vao maraina. Nanaraka avy eo ny «Mastermixx», «Cool time», «Zany ve dia tsy hay ?», sns. Mazava loatra fa nivantana koa ny fiarahana tamin’ny mpankafy.
Faha-35 taona nisian’ny tarika Rasoalalao Kavia. Homarihina amin’ny hetsika maro izany, izay hosantarina amin’ny ady hiragasy goavana, rahampitso alahady 21 jolay, etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina. Hifandona amin’ireto tropy avy any Ampahimanga ireto ry Rapaulson Mandiavato. Samy hitondra hira vaovao ny tropy roa tonta amin’io fotoana io.
«Live painting» manoloana ny Hôtel de ville Analakely. Taorian’ny teny Ambohimanga sy teny Anatirova, etsy Analakely indray ireo mpanao hosodoko, anio. Haneho ny talentany mivantana, miainga amin’ izay zava-misy hita sy tsapany eo an-toerana izy ireo. Samy hitazona ny fomba fanehoany ny kanto avy izy ireo. Haranty sy hamidy ny sanganasa vitan’izy ireo nandritra izay fotoana izay.
Nifarana tany Tanambe ny fitetezam-paritra enim-bolana voalohany, ho an’ny tarika AmbondronA. Manomana ny tapany faharoa izy ireo, izay misy seho goavana iray eto Antananarivo. Anisan’ny andrasan’ny mpankafy maro io fotoana io, satria efa elaela no tsy nisy. Mety ho Coliseum sa Palais des sports sa kianja Barea Mahamasina ? Tsy mbola nanondro ny toerana ny tarika.