Nitana ny laharana faharoa, ao amin’ny vondrona “C” ny Akomba de Madagascar teo amin’ny fifanintsanana niadiana ny “Davis Cup”, taranja tenisy, sokajy lehilahy. Vokatra izay tsy ahafahany miakatra fa mijanona ao amin’ny sokajy fahadimy.
Ratsy famaranana ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny “Davis Cup”, taranja tenisy. Resin’i Botswana tamin’ ny isa 2 no ho 1, ny Malagasy teo amin’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “C”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny National Tennis Center, Gaborone Botswana, omaly zoma.
Vokatra izay tsy hahazoan’ny Malagasy miady ny tapakila hiakarana amin’ny sokajy fahefatra fa mijanona ao amin’ ny sokajy fahadimy ihany amin’ny taona ho avy. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lavon-dRakotondrasoa Valentin tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/0), i Nawa Mark teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana voalohany. Ny seta voalohany ihany no hany afaka nanohitra i Mark fa nataon’i Valentin tsy nisotro rano teo amin’ny faharoa, satria tsy nahazo na lalao iray aza.
Teo amin’ny fihaonana faharoa, resin’i Seetso Denzel, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 7/5) Andrianaly Dylan Narinavalona. Nanamparan’i Denzel ny heriny sy ny fahaizany i Dylan ka tsy tafavoaka mihitsy.
Ny lalao fahatelo ho an’olon-droa miaraka no mamaritra izay handresy ka teo vao nahazo ny tapakilany ny botswanais. Lavon’i Denzel sy i Batsomi, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 4/6 ; 6/2) i Antso sy i Valentin. Lasan’i Botswana ny seta voalohany avy eo nosahalain’ny Malagasy, saingy teo amin’ny seta fahatelo tsy naharaka intsony izy mirahalahy ka azon’i Denzel sy i Batsomi, mora foana.
Nitana ny laharana voalohany izany ny Akomba ka hanao ny “play off”, hifandona amin’i Gabon, voalohany tao amin’ny sokajy “B”. Ry zareo gabonais, izay nandresy an’i Ouganda teo amin’ny andro fahatelo, tamin’ny isa 2 no ho 1. Miakatra ao amin’ny sokajy fahefatra amin’ny taona ho avy, izay mandresy, amin’izy roa tonta.
Tompondaka