Niakatra fampanoavana tao Arivonimamo, omaly, ny mpamilin’ilay fiara 4×4 sy Mazda voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo telo mianaka nandeha bisikileta. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana raha teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny renim-pianakaviana mitondra vohoka sy ny zanany kely iray.
Raikitra ny fifanjevoan’ny fokonolona sy ny zandary tamin’ireo dahalo tao amin’ny kizon’i Madiromiketrika Andranomamy, ny alakamisy teo nandritra ny fanarahan-dia. Dahalo ampolony nanafika tao Antanandava ka nangalatra omby 40 isa. Dahalo iray maty raha telo naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka, basy iray azo.
Tontosa omaly, teny amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin Antanimora, ny lanonana fametrahana galona ho an’ireo polisy nahazo fisondrotana galona. Miisa 50 izy ireo no nahazo izany ka ny 28 amin’ireo nampiakarina ho Commissaire principal de police, raha commissaire de police 1ère Classe kosa ny 22. Nandalo komity manokana ny mombamomba ireto polisy ireto.