Nitrangana haintrano indray teny Ambohimamory Itaosy, ny sabotsy hariva teo. Trano fivarotana iray amoron-dalana no kila hotohoton’ny afo. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana, fa ny afo efa nijoalajoala avy ao ambony rihana no nahataitra ireo manodidina. Niezaka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina teo an-tanàna mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Efa maty kosa ny afo vao tonga ireto farany. Voalazan’ny mpamonjy voina fa ahina ho fipoahana herinaratra no antony nitarika ny firehetana. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra. Trano dimy koa indray kila forehitra tao Marofarihy, distrikan’i Manakara, ny sabotsy teo ihany. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao an-trano fa levon’ny afo avokoa. Toy ny vary, vola saika hanaovana trano, miampy ny fanaka rehetra. Mitentina an-tapitrisany ny tentim-bidin’ny entana lasa lavenona. Nalaky ny fihitatry ny afo ka nahazo ireo trano teo amin’ny manodidina. Sarotra ny famonoana ny afo noho ny afobe nijoalajoala. Akanjo eny an-koditra sisa ny an’ireo niharam-boina.
J.C