Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Anosisoa Ambohimanarina, ny hetsika ara-tsosialy notanterahin’ny fikambanana Fa-mamiratra sy ny Lion’s Club Farimbona ary ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fitsaboana maimaimpoana sy fanolorana sakafo ara-pahasalamana no hita nandritra izany. Hetsika efa fanaon’ireto fikambanana ireto izy ity. Tanjona ny hanampina ny mpiray monina, indrindra ireo Malagasy ao anaty fahasahiranana, mba handresena ny fahantrana.
Fizahana fahasalamana maimaimpoana momban’ny maso sy ny diabeta, nofaranana tamin’ny fizarana sakafo mafana, ho an’ireo tonga niatrika izany no nandravaka ity hetsika ara-tsosialy ity. Ankoatra ireo sahirana mitady izay ho arapaka isan’andro. Maro amin’ny Malagasy no tsy mahavita mamantatra ny toe-pahasalamany intsony noho ny fahasahiranany, hany ka efa tsy afaka tsaboina intsony ny aretina izay vao manatona mpitsabo. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, famerenana indray ny firaisankina sy fifampitsimbinana, izay anisan’ny nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiarahamonina malagasy no tena tiana havoitra ao anatin’izao hetsika izao. “Satria afaka mitondra fiovana eny amin’ny fiainan’ireo sahirana ara-pivelomana ny fandraisan’anjara rehetra ary afaka manampy amin’ny fananganana tontolo vaovao.”
Lin