Tapitra ny fifaninanana “Coca Cola PFL”, taom-pilalaovana 2024. Mivarina any amin’ny diviziona faharoa ny Dato FC sy ny KFCA Diana. Nisy olana ny fiafaran’ny lalao fahatelo.
Notontosaina teny amin’ny kianjan’ny CFFA, etsy Iavoloha, afakomaly, ny andro fahatelon’ny fifaninanana hahafantarana izay ekipa midina any amin’ny diviziona faharoa (D2), “Playout Coca-cola PFL”. Araka ny vokatra azo, ny ekipan’ny Dato FC no mihintsana ho an’ny kaonferansy atsimo ary ny KFCA Diana, ny an’ny avaratra.
Tsy nahita fandresena, tamin’ity Playout ity, mihitsy moa ireto ekipa roa tonta ireto. Tsiahivina fa lavon’ny Ajesaia, 2 no ho 1, ny KFCA ary resin’ny Mama Fc, 1 no ho 0, ny Dato FC.
“Afapo tanteraka tamin’ny fifanintsanana izahay. Hisy ny fivoriana hataon’ny CFEM, hijerena manokana mahakasika ny mpitsara”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny CFEM.
Korontana
Nirava tamin’ny savorovoro ny lalaon’ny Mama FC sy ny Dato FC. Raha tsiahivina, tsy nankato ny fanapahan-kevitra nataon’ny mpitsara io fihaonana io ny mpanazatra iray ao amin’ny Dato FC ka nahazo karatra mena. Rehefa nisioka ny kiririoka ny mpandrindra lalao, niakatra kianja hikasi-tanana azy ny avy ao amin’ny Dato FC. Tamin’io fotoana io, niezaka nandamina ny savorovoro rehetra teny an-toerana ny lehiben’ny CFEM. Nomarihin’ity mpitantana ny CFEM ity fa tsy izy ireo no manendry ny mpitsara ny lalao fa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Fitia Randria
Ireo voka-dalao rehetra :
Ajesaia (2)-(1) KFCA Diana
Cosfa (3)-(1) Uscafoot
Mama Fc (1) – (0) Dato Fc