Nanonofy ity zoky am-panahy indray alina. Zoky itoeran’ny fahendrena sy toa teny amin’ny fiarahamonina. Nofy nifono hafatra saingy nony maraina ny andro saika adinony ny nilaza izany tamin’ny fokonolona. Ny mitelin-kafatra rahateo maha be kibo. Nitangorona ny iray tanàna hihaino izany nofy misy hafatra izany.
Hafahafa ilay nofy satria mitantara minisitera iray, miavaka tsy toy ny rehetra. Manana toko telo mafy fototra, telo toko mafy faka sy tena mafy fototra, ka na iza na iza tsy mahongotra azy ireo ao amin’izany minisitera izany.
Nabaribarin’ilay nofy fa misy tomponandraikitra telo ao efa ampolo taonany maro tsy misy mahasolo ary tsy voasolo hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy nanafina ilay nofy, nilaza fa tale sy sekretera jeneraly ny toeran’izy ireo. Toko telo mafy fototra, telo toko mafy faka.
Tampoka teo, tapaka ilay nofy ka taitra ilay zoky am-panahy. Toy ny tsy tety an-tany ny tenany. Raiki-tahotra sy nipararetra izy nieritreritra ilay nofy. Nofy ririnina ve sa fambara zavatra ho avy. Niverina natory izy avy eo saingy nitohy ilay nofy. Hisy fanendrena minisitra vaovao ao amin’ilay minisitera ka niteny mafy taminy ilay nofy hoe: mbola ho eo foana ve ireo toko telo mafy fototra, telo toko mafy faka. Toran-kovitra ilay zoky am-panahy ka namaly fa tsy lany olomanga ny tanàna. Aleo fa hampitaiko amin’ny valalabemandry sy ireo olon-kendry ny hafatrao, handraisana fanapahan-kevitra. Rehefa voatantara ilay nofy, samy nanadio ny manodidina ny rehetra ka miomana hanongotra ireo telo toko mafy fototra, toko telo mafy faka sao hiverina eo ilay nofy ka hidiran-doza.
Tompondaka