“Inona no andrasana amin’ ny governemanta ary naninona ny Praiminisitra teo aloha ihany no notanana? Ny fahitako azy: efa manomboka mametraka fanovana amin’ny olona hiara-miasa aminy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy hijery afa-tsy ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampirenena.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ ny anaran’ny Irmar, Rakotondrasoa Fetra, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy karazana olona vaovao tian’ny filohan’ny Repoblika hampidirina. Manana an’izay fomba fijery lavitra izay izy amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Amin’ity depiote ity, tena tafiditra ao amin’ny filan’ny vahoaka malagasy ny safidin’ny filohan’ny Repoblika. Izy no nofidin’ny vahoaka malagasy ho filohan’ny Repoblika, ary miandrandra sy manantena tsaratsara sy misimisy kokoa ny filohan’ny Repoblika.
Ho maro ny olom-baovao hitondra an’izay herijika vaovao izay amin’ireo minisitra handrafitra ny governemanta, araka izay hafainganam-pandehan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Amin’ny fitondrana fampandrosoana misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka malagasy izany. Hialana amin’ireo karazana minisitra tsy mahalala ny any ambanivohitra, ny hetahetam-bahoaka, ny fandehan’ny raharaham-panjakana… Tsy maintsy minisitra mahafeno an’izay fepetra izay no ho ao anatin’ny governemanta, ary hanana an’izay herijika vaovao hitondra ho amin’ny fampandrosoana izay.
R. Nd.