FANTINA sy FINTINA

Nitafa tamin’ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Anosy ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Notsindrin’ny PM tamin’izany ny tokony hananan’ny tomponandraiki-panjakana fahatsapan-tena maha tompon’andraikitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fahafehezana ny andraikitra ary ny fahaiza-mitarika.
Nisokatra omaly, tany Accra, renivohitr’i Ghana, ny fivoriana ara-potoana faha-45 ho an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona afrikanina. Ireo tomponandraiki-panjakana misahana ny lafiny toekarena no tena mandray anjara mavitrika ao anatin’izao fivoariana izao. Anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity fivoriana ity ny fananganana ny “Zone de libre échange continentale africaine” (ZLECAF)
Notsindrin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Jly Sahavelo Lala Monja Delphin, nandritrany fankalazana ny fetim-pirenena Suisse, ny faran’ny herinandro teo, fa fifandraisana mafy sy fiaraha-miasa mavitrika no misy eo amin’i Madagasikara sy Suisse. Nanomboka ny taona 1961 ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, izay nifototra tanteraka tamin’ny fifanajana. Ny firenena Suisse izay miavaka amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lanonana nametrahana samboady maha solombavambahoakan’i Madagasikara an’ Andriamatoa Manantena Haja Dinah, voafidy tao amin’ny distrikan’Ifanadina. Olom-boafidy maro avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ireo raiamandreny ara-drazana amin’iny faritra iny no niatrika izany.

Partager sur: