Hiragasy: nitondra hira vaovao ry Rasoalalao Kavia

Anisan’ireo tropy samy kalaza no nifanandrina, omaly. Ry Rasoalalao Kavia, izay nanamarika ny faha-35 taonany an-tsehatra sy ny Rapaulson. Samy nitondra hira vaovao izy ireo.

Vao maraina dia efa hipoka olona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Ma­hamasina. Mpankafy tonga nanatrika ny adin-kiragasy goavana tao amin’io toerana io ireo. Niavaka kely tamin’ny mahazatra mantsy ny omaly, satria fotoana natao hanamarihana ny faha-35 taona niakaran-dRasoalalao Kavia avy eny Ampahimanga sehatra io. Natsangana nandritra izany ny hira vaovao “Aza mifanararaotra fa io no tsy mahatafavoaka”, sy ny “Mety aminao fa tsy mety amin’ny hafa” izay feno hafatra mafonja ka na­nongilan-tsofina avokoa ny rehetra, ary narahina tehaka sy horaka izany. Hira noforonin-dRainimanga, izay anisan’ireo mpitarika ny tropy amin’izao fotoana ireo.
Nifanandrina tamin’ny tropin-dRasoalalao Kavia, nandritra ny ady hiragasy, omaly, ry zareo Rapaulson avy any Mandiavato. Samy kalaza no nifampitsapa, ary efa mifankahalala hatry ny ela rahateo. Nitondra hira vaovao, izay entiny miatrika ny taom-pampisehoana ihany koa ireto farany.
Ankoatra ny fahavitrihan’ny mpankafy, tsikaritra fa mamolavola ny tanaraka mpandimby ao anatiny ihany ireo tropy. Mbola eo ihany ireo mitari-dalana, ireo efa nahazo taona, fa maro koa ireo ankizy sy tanora efa milomano anatin’ny hiragasy. Samy mitily izay manavanana azy ireo mpihira, mpitendry ary mpandihy ao anatin’izay.
Niverina nahazo vahana ny hiragasy etsy amin’ny Kianjan’ny kanto, raha toa ka nangina tanteraka indray aloha ilay Kianjan’ny hiragasy etsy Ampefiloha. Raha ny nambaran’ireo mpisehatra, ny resaka fitantanana ny toerana no olana. Ankoatra izay, ma­nahirana azy ireo koa ilay hoe tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no tatazana. Misimisy ihany mantsy ny vola mivoaka ho an’ny tropy iray, rehefa miatrika ady hiragasy.

Zo ny Aina

Partager sur: