IFVM: 31 000 ha ny velaran-tany namonoana valala

Nanomboka ny 6 jolay 2024 ny hetsika famonoam-balala ana habakabaka ataon’ ny Ivontoerana famonoana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Tanteraka izany vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny Fida, nataon’ny tetikasa Defis, ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nahatratra 2 150 ha ny velaran-tany voatondraka fa­nafody nataon’ny helikpotera tany amin’ny faritra Menabe, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Ihorombe ary Atsimo Andrefana, hatramin’ny 16 jolay teo. Mirefy 640 ha kosa ny natao an-tanety nampiasana fitaovana baben’olona.
Nankahery ny mpiasa teny ifotony ny tale jeneralin’ny IFVM, ny Dr Idaly, ny 17 jolay teo. Nanomboka ny oktobra 2023, nahatratra 31 495 ha ny velaran-tany nanaovana fa­monoam-balala. Natao ana habakabaka ny 2 150 ha ary an-tanety ny 29 355 ha.
Mitohy ny hetsika iarahan’ny IFVM sy ny minisitera hisorohana sy hiarovana ny firongatry ny andiam-balala, mba hiantohana ny fiahiana ara-tsakafo. Manamafy hatrany ny fanjakana sy ny tomponandraikitra fa voarara tanteraka ny fihinanana valala voatondraka fanafody. Satria mety hiteraka fanapoizinana mahery vaika izany.

Njaka A.

Partager sur: