INDRAY MIJERY

Manomboka androany ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. 218 359 ireo mpiadina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanao ny ezaka rehetra hampizotra tsara ny fanadinana ny tomponandraikitra. Tsy tokony hanadino ny taratasy fiantsoana sy ny karatra famantarana ho mpiadina ireo mpianatra, isan’andro.
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fampiofanana ireo mpampianatra teny anglisy any Toa­masina sy Moramanga. Mikendry ny hitondra vokatra tsara eo amin’ny fampianarana io taranja io ny any an-toerana. I Dr Kathleen F. Malu no mitondra ny fiofanana, izay manam-pahaizana manokana momba ny English Club.
Nidina nijery mivantana ny fomba hanatanterahina ny asa fanatsarana ny eny amin’ny tobim-piantsonana Ampasapito ny tomponandraikitry ny fitaterana, ny faran’ny herinandro teo. Hisy, araka izany, ny komity hivondronan’ny ATT sy ny solontenan’ireo mpitatitra miasa eo an-toerana ary ireo sehatra tsy miankina hiara-kandinika ny fanatsarana azo atao na ho an’ny fotodrafitrasa na ho an’ny fitantanana.
Efa natomboka ny fampitomboana ny sampana niomerika amin’ny sekoly any amin’ny faritra Atsinanana. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ara-teknolojia vaovao…Ny Cisco Toamasina I sy II, ahitana Zap miisa 18, sekoly 46 isa, no misitraka izany fanavaozana ara-niomerika izany ho an’ity andiany voalohany ity.

Partager sur: