Lalao Olympika (JO 2024): Ireo atleta malagasy sy ny daty hifaninanany

Taranja dimy amin’ireo 47 hiadiana medaly vola-mena ihany no hany handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny lalao Olympika (JO 2024), tantera-hina any Paris, Frantsa. Atletisma, ping-pong, lomano, fibatana fonjamby, judo. Ndeha hofan-tarina ireo atleta sy ny daty hifaninanany.

J-5 ny fanombohan’ny lalao Olympika (JO 2024) hatao any Paris Frantsa, anio. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Atleta 7 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity. Taranja dimy amin’ireo 47 hifanandrinana no hany handraisan’izy ireo anjara dia ny atletisma misy mpifaninana mianadahy, ny lomano misy atleta roa ihany koa. Iray avy kosa ny eo amin’ny judo sy ny ping-pong ary ny fibatana fonjamby.
Raha ny fandaharam-potoana, hiditra an-tsehatra voalohany i Jonathan Raharvel, 22 taona, eo amin’ny lomano. Hifaninana amin’ny 100 m brasse izy ny sabotsy 27 jolay ka ny fifanintsanana ataony amin’izany dia ao amin’ny dobo filomanosana Paris La Défense Arena. Miatrika ny manasa-dalana ny tovolahy raha tafita eo. Raha tafavoaka amin’izany, hanao ny famaranana ny alahady 28 jolay.
Ny sabotsy 27 jolay ihany koa no hifaninana Rakotoarimanana Fabio, 21 taona, eo amin’ny ping-pong. Fihaonana hatao ao Arena Paris Sud 4. Hiatrika ny dingana savaranonando izy avy eo ny dingana ampaha-32n-dalana.
Hanomboka ny fifaninanany ny alahady 28 jolay Randafiarison Rosina, 24 taona, eo amin’ny fibatana fonjamby, sokajy 49 kg. Hotanterahina ao amin’ny Arena Paris Sud 6 izany.
Ny alarobia 31 jolay vao hiakatra tatami Rasoanaivo Laura, 20 taona, eo amin’ny taranja judo -70 kg. Ao Arena Champ-De-Mars. Avy hatrany dia hiatrika ny dingana ampaha-32n-dalana izy, amin’izany.
Ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 aogositra, ao Paris La Defense Arena, ny anjaran-dRabejaona Holy Antsa, 22 taona, eo amin’ny lomano. Hifaninanana eo amin’ny 50 m nage libre izy.
Amin’ireo andro ireo ihany koa no hiatrika ny azy i Vatomanga Rija Gardiner, 24 taona, eo amin’ny 100 m.
Hamarana ny fidirana an-tsehatra i Sidonie Fiadanantsoa, 25 taona, eo amin’ny 100 m misy fefy. Ny alarobia 7 ka hatramin’ny sabotsy 10 aogositra izy no hifaninana.
Tsiahivina fa hitondra ny sainam-pirenena, mandritra ny lanonam-panokafana, i Rosina.

Tompondaka

Partager sur: