Amad Tombovelo Zayad, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Dayaz. Mpanoratra, manan-talenta amin’ny filalaovana ny teny izy, ka nanokanan’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina any Antsiranana fotoana manokana, nandritra ity volana ity. Nampahafantariny ny 13, 17 ary 18 jolay lasa teo ny sanganasany, tany an-toerana. Ny tononkalo, tantara foronina ary ny angano no hironan’ity mpanoratra ity. Voarakitra am-boky ireo asa soratra ireo, izay nampahafantarina nandritra ireo telo andro ireo.
Mijoro ho fakan-tahaka ho an’ireo tanora ihany koa i Dayaz. ankoatra ny fampitiavana ny literatiora, nasehony ihany koa fa tsy tokony ho sakana ny fahasembanana, mila mametraka ny tanjona ary manatratra izany ny tsirairay. Tafiditra anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ho fanomezana sehatra ireo mpanoratra vao misandratra isam-paritra ny hetsika fampahafantarana toa izao.
Zo ny Aina