Nanolan-jaza 3 taona: ankizilahy 17 taona naiditra eny Antanimora

Voasambotry ny polisim-pirenena, naiditra am-ponja ny tovolahy iray tsy ampy taona tratra nanolan-jaza tao Namontana. Simba tanteraka ilay lasibatra.

Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy 17 taona tratra nanolan-jazavavy vao telo taona monja tao Namontana, ny faran’ny herinandro teo. Niova tanteraka ny toe-pahasalaman’io zaza io, araka ny fandinihan’ny ray aman-dreniny nitaiza azy. Tsy araka ny fihetsiny mahazatra intsony ny nataon’io zanak’izy ireo io, indrindra ny toe-pahasalamany. Nanapa-kevitra ny fianakavian’io zaza io fa hitondra azy eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Nanao ny fitiliana rehetra, voamarina fa niharan’ny fanolanana ilay zaza vao telo taona monja. Nanao ny fanadihadiana mom­ba io tranga io ny mpitandro filaminana.

Nitoroka ny nahavanon-doza

Tsy olona vaovao amin’ny fianakaviana ilay nahavanon-doza rehefa nanao ny fanadihadiana lalina ny polisim-pirenena. Olona mpiara-belona amin’ilay ankizivavy sy ny fianakaviany ihany. Nanao ny paikady rehetra nisamborana io voasaringotra io ny mpitandro filaminana. Vokany, tra-tehaka ny lehilahy iray. Nandritra ny fotoana tsy nisian’ny ray aman-drenin’ny lasibatra teo an-tanàna no nanararaotany nanaovana io filan-dratsiny io. Simba tanteraka ilay zazavavy vao 3 taona monja. Nentina natao famotorana ilay ankizilahy. Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja eny Atanimora mi­andry ny fotoam-pitsarana azy. Manaraka fitsaboana sahaza azy kosa ilay zazavavy niharan’ny fanolanana.

Tsiferana R.

Partager sur: