Resin-tory ny mpamily: taksiborosy nivadika, mpampianatra maty

Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sa­botsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de Paul” Farafangana io tra-doza io. Avy nanao fi­tsangantsanganana fialantsasatra sady nanao fifanakalozana traikefa tamin’ireo samy mpanabe no niharan-doza ireto mpampianatra ireto. Noho ny havizanana, resin-tory teo ambony familiana ny mpamily ka nahatonga ny loza. Taitra tampoka ny mpampianatra iray tao anaty fiara ka nitsoaka niala tao anatin’ny fiara nanavotra ny ainy. Nivadika tany amin’ny ilany nisy ity mpampianatra ity ny fivadihan’ny fiara. Voatsin­dry tao ambany tao izy ka maty tsy tra-drano. Namela kamboty valo ity niharam-boina ity. Mpampianatra filozofia ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

J.C

Partager sur: