Nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB 2 vehivavy nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy zandriny U14 sy U16, natao tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Tsara marihina fa nofoanan’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball ny lalao, ho an’ny lehilahy, noho ny tsy fahampian’ny fetrisa takina amin’ny fifanintsanana.
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra “Ping pong”, izay natao tany Gaborone, ny zoma lasa teo, ry Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, vehivavy malagasy mpilalao. Tsara marihina fa ny lalao ho an’olon-droa miaraka no nahazoan’izy ireo ity medaly volamena ity.
Pierre Emerick Aubameyang, gabonais mpilalao baolina kitra, nifindra lasy any amin’ny klioban’ny Al Qadisiya Arabie Saoudite. Tsara marihina fa haharitra 2 taona ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Tsiahivina fa tao amin’ny klioba frantsay, Olympique de Marseilles, izy teo aloha.