Tetikasa Efaho: ho vitaina amin’ny desambra ny asa dingana voalohany

Mandeha ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa amin’ny tetikasa fitarihana rano fisotro sy ho an’ny fambolena, miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Misy zotra mifanandrify sy mifanapaka amin’ny lalana RN 13 ihany koa ny asa hatao.

Mifantoka amin’ny fitaterana rano fisotro ma­dio sy ho an’ny fambolena avy any amin’ny reni­ranon’Efaho any Taoganaro ny tetikasa Efaho, mandalo any Amboasary hatrany Ambo­vombe. Nidina ifotony tany an-toerana ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny 19 jolay teo. Mitohy ny asa ataon’ny orinasa Top International, ka miompana amin’ny zavatra telo lehibe ny dingana voalohany. Ny fananganana ny fotodrafitrasa any Andakana, Taolagnaro (PK 0), ho fanangonana sady fanadiovana ny rano ary ny paompy maromaro manosika ny rano mankany amin’ny fantsona. Faharoa, ny fanamboarana fantson-drano roa lehibe, mirefy 31 km avy any Taolagnaro. Fahatelo, ny toeram-pitahirizana rano mpanelanelana eo amin’ny PK 31. Nanome toromarika ny PM, Ntsay Chrsitian, ny hanafainganana ny fahatongavan’ireo fantsona sisa. Tokony ho vita amin’ny faran’ny volana desambra 2024 izao ny asa rehetra amin’ny dingana voalohany.
Mirefy 97 km ny halavan’ny fantsombe Efaho, miainga any Taolagnaro hatrany Ambo­vombe.
Ho vitaina amin’ny mey 2025 ny RN 13

Nojeren’ny praiminisitra ihany koa ny fanamboarana ny lalam–pirenena RN 13, Tao­lagnaro hatrany Ambo­vom­be, tanterahin’ny orinasa Colas. Marihina fa mandalo sy manapaka amin’ity lalana ity ny zotran’ny fantsona avy any Efaho. Nifampidinihin’ny minisitry ny Rano sy ny minisitry ny Asa vaventy, andaniny, sy ny Top International ary ny Colas, ankilany, ny fandrindrana ireo tetikasa roa ireo. Na­namafy ny praiminisitra, Ntsay Christian, fa tokony ho faranana amin’ny volana mey 2025 ihany koa ny asa, araka ny voarakitry ny fifanarahana. Mirefy 114 km amin’ny RN 13 no hatao godirao miainga any Taolagnaro hatrany Ambo­vom­be.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: