Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny « Fangaro 2024”, fampisehoana niarahana tamin’ireo mpianatra eo anivon’ny “Théâtre Kala”. Fampisehoana dihy sy teatra no nandravaka izay seho izay. Tao anatin’izany no nanehoan’ny mpianatra eo anivon’ity sekolin-javakanto ity ny voka-pamoronana nataon’izy ireo.
Azo antoka ny hoavin’ny zavakanto malagasy, indrindra ny dihy sy ny teatra, raha ny zava-misy teny amin’ny Havoria Anosy no jerena. Amin’ny maha voka-pamoronana azy mantsy dia niavaka tanteraka ny seho satria seho tena mbola vaovao tanteraka sy tsy mbola fahita. Teo ihany koa ny naha zavakanto manaraka ny zava-misy ankehitriny sy ny vanim-potoana ary mamaly ny filàn’ny vondron’olona tilina. Antenaina, araka izany, fa miako tanteraka amin’ny vondron’olona tilina, indrindra ny ankizy sy tanora, izany zava-kanto noforonin’izy ireo, ary manaja ny fenitra amin’ny maha mpanabe sy mpitaiza azy. Anisan’ny lesoky ny zavakanto ankehitriny, ka antony tsy mahalina ny tanora aminy izay tsy famalian’ilay zavakanto ny filàny izay.
Lin