Tohodrano any Anosy : ahazoana voka-bary 3 taonina isaky ny hekitara

Anisan’ny asa iarahan’ny fandaharanasa PA2R, ny Defis, ny Tahirimbola iraisam- pirenena hampiroboroboana ny fambolena ary ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fanamboarana na fanarenana fotodrafitrasa, toy ny tohodrano. Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny solontena maharitra ny Fida, i Joseph Biwole, ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa Defis, Randrianaritiana Pierrot Serge, ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ifantohan’ny tetikasa PA2R ny sehatry ny famokarana vary.
Nojerena ny asa fanarenana sy fanitarana ny tohodrano narenina any amin’ny lemak’i Tsimelahy, kaominina Anka­riera, distrika Taolagnaro, faritra Anosy. Afaka manondraka tanim-bary 100 ha ity fotodrafitrasa ity, ahazoana voka-bary 3 taonina isaky ny hekitara. Nojerena ny fomba hamelomana indray ny tambajotran’ny fikambanan’ny mpampiasa rano sy ny hampivoarana ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny lafiny fitantanana sy ny fikojakojana. Miisa 70 ny mpisitraka ao anatin’ny fikambanana mpampiasa rano, ahitana vehivavy miisa 10.

Njaka A.

Partager sur: