VAOVAO TAMBATRA

Niato tampoka ny zotra mpitatitra herinaratra any Andekaleka, omaly. Tsy ampy, araka izany, ny tanjaky ny herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Anta­nanarivo (RIA). Efa eo am-panarenana ny teknisian’ny Jirama mikirakira ny tanjaka ambony (high voltage), ary hiverina tsikelikely ny famatsiana.

Miisa 12 500 ny zana-trondro tilapia natolotry ny minisiteran’ny Jono, ny faritra Fitovignany, ny 19 jolay teo. Tsara kalitao, manaraka ny fenitra takin’ny mpanjifa ireo karazana tilapia ireo. Hozaraina amin’ny mpiompy trondro any an-toerana ny zana-trondro any Manakara.

Nahatratra 78 dolara ny vidin’ny barila amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 21 jona. Niakatra kely izany raha oharina ny tamin’ny 4 jona 2024, nahatratra 76 dolara. Tamin’ny 3 avrily ny vidiny ambony indrindra tamin’ity taona 2024 ity, nisanda 84 dolara. Tsiahivina fa hiroso tsikelikely hampifanaraka amin’ny vidiny iraisam-pirenena isika.

Tovolahy iray no tratran’ny minisiteran’ny Tonto­lo iainana (Medd), voarohirohy amin’ny fivarotana so­katra anaty tambajotran-tserasera. Mirongatra ity fom­ba fivarotana ity ary misy amin’izy ireo no mpamatsy ny sokatra avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miisa 10 ny olona tratra amin’ny fanaovana io trafika sokatra io, naiditra am-ponja tato anatin’ny iray volana.

Partager sur: