Banky iraisam-pirenena: fanamafisana ny fiaraha-miasa

Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Banky iraisam-pirenena. Mitarika ny delegasiona, ny tale misahana ny Vondrona ara-toekarena fao­be sy ny varotra ary ny fampiasam-bola, Manuela Fran­cisco. Nihaona tamin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, oma­ly atoandro, teny Maha­zoarivo, ny delegasiona. Nire­sahana ny fanohanan’ny Ban­ky iraisam-pirenena an’i Ma­dagasikara amin’ny fampandrosoana ankapobeny ny dinika. Ao anatin’izany ny fanatevenana ny harin-karena faobe (PIB), ny famoronana asa, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny tanora ary ny sehatry ny angovo. Noha­mafisin’ny praiminisitra fa voafaritra ao anatin’ny Politka an­kapoben’ny fanjakana (PGE) ireo sehatra voalaza ireo.
Ankoatra izany, nanatanteraka ny fanaovam-beloma tany amin’ny praiminisitra ny mpandrindra maharitry ny Sampandraharahan’ny Fire­nena mikambana sady mpandrindra ny sehatry ny maha olona (SNU), Issa Sanogo, omaly maraina. Natao jery todika ny asa vita niarahan’ny governemanta malagasy sy ny SNU, indrindra ny tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.

Njaka A.

Partager sur: