Fanararaotana ara-nofo : Pasitera voaheloka higadra herintaona

Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy an-tranomaizina herintaona miampy onitra 16 tapitrisa Ar ny pasitera amina fiangonana zandriny iray ao Ambalamanasy Toamasina, nandritra ny fivoahan’ny didim-pitsarana momba azy, ny alakamisy teo…

Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny didim-pitsarana manameloka ny pasitera iray ao amin’ny fiangonana zandriny, ao Am­ba­lamanasy Toamasina. Nome­lohin’ny fitsarana hamita sazy an-tranomaizina mandritra ny herintaona izy, miampy onitra 2 tapitrisa Ar avy amin’ireo vehivavy valo nitory azy. Ny 11 jona no naiditra vonjimaika am-ponja ity pasitera ity rehefa notorian’ireto vehivavy miisa valo ireto. Ny alakamisy teo kosa ny fotoam-pitsarana ny raharaha voarakitry ny antontan-taratasin’ady lah 1924/RP/24 IS/SD/Z amin’ny loham-piampangana iray dia ny fanararaotana firaisana ara-nofo, voafaritry ny lalàna 333 andininy faharoa amin’ny ady heloka. Samy tonga na­nat­rika ny fotoam-pitsarana ny mpitory rehetra, teo koa ireo kristiana vavolombelon’ny pa­si­tera. Nilaza ireo nijoro vavolombelona fa tsy mitombina ny fanenjehana io pasitera io.

Homena ampahafalon-karena…
Nilaza ireo niharan’ny fanolanana manoloana ny fitsa­rana fa tsy tompon’ny tenany izy ireo. Tao kosa ireo nilaza fa hoe norahonan’ilay pasitera mba tsy hilazalaza amin’olon-kafa. Nisy indray ireo nilaza fa mahavaha ny olana mianjady aminy ny fiarahana amin’ny pasitera. Nohamafisin’izy ireo fa hatramin’ny taona 2021 no efa nanamparan’ity pasitera ity ny filan-dratsiny izy valo mirahavavy. Tsy vitan’izay fa nisy nampanantenainy fa halainy vady sy hizarany amin’ny ampahafolon-karena voaangony. Tsy nisy akory anefa izany rehetra izany ka antony nahatonga ny fitoriana, araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny fotoam-pitsarana, ny 11 jolay 2024 lasa teo.

Nilatsaka ny didy ny alakamisy teo ka izao voaheloka am-ponja sy fandoavana onitra amin’izy valo mirahavavy izao ity mpitandrina ity.

Sajo

Partager sur: