Andrasana ny governemanta vaovao ny fankatoavana, amin’ny alalan’ny didim-panjakana amin’ny filankevitry ny governemanta, ny soso-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 6 novambra ny ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tokony hivoaka amin’ny 6 aogositra izany farafahelany, fa izay ny 90 andro mialoha ny datim-pifidianana, raha ny voalazan’ny lalàna.
Angamba, mbola mandamina izay ho kandidà ben’ny Tanàna amin’ireo renivohi-paritany lasan’ny mpanohitra tamin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ ny fitondrana, matoa tsy rototra amin’ny famoahana ny didim-panjakana fanaikena mpifidy amin’ny fifidianana kaominaly, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, i Beanjara Paul.
Nankasitraka ireo asa vita, mahakasika ny fanafainganana ny fametrahana ny Zone de libre échange continentale africaine (Zlecaf), ny filohan’ny Vondrona afrikanina, nandritra ny fivoriamben’ity Vondrona ity. Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra ny Banky afrikanina misahana ny fampandrosoana, izay anisan’ny misahana amin’ny fanatanterahana izany.
Hifantoka kokoa amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasan’ny fitsarana ny tetikasa «Projet d’appui à la justice de Madagascar» (PAJMA), andiany faharoa. Raha tsiahivina, hifarana ny taona 2025, ny PAJMA andiany voalohany, izay nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana.