Hatao any Antsiranana, ny 18 hatramin’ny 28 aogositra ho avy izao, ny hetsika ara-pizahantany lehibe, “Festikate 2024”. Tolotra iray hampiroboroboana ny toekarena amin’ny lafiny fizahantany eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Tanterahina eny amin’ny Helidranon’ny Sakalava any Antsiranana, ny “Festikate” andiany fahatelo. Miara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana azy io ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny tetikasa Pic ary ny mpisehatra amin’ny fizahantany, ny mpikarakara mpizahatany, ny Scopfield sy ny Vakansy Tsara sady Mora, sns.
Nambaran’ny talen’ny kabinetra ao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany, Rasoanaivo Diana, fa tolotra vaovao hampiroboroboana ny fizahantany ny “Festikate”. Hisarihana ny mpizahatany avy any ivelany, fa indrindra koa ho an’ny eto an-toerana. Maro rahateo ny Malagasy tsy mbola nahita an’Antsiranana sy ny manodidina, toy ny morontsirak’i Ramena, ohatra. Manohana ny “Festikate 3” ny Telma, satria zava-dehibe ho azy ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fizahantany.
Ho hita mandritra ny hetsika ny fitondrana takelaka miaraka amin’ny lay (Katesurf) entin’ny rivotra, ho an’ny lehilahy, vehivavy, ankizy. Hisy fampisehoana ataon’ny matihanina avy any ivelany. Eo koa ny hetsika ara-kolontsaina, moraingy, ny fampisehoana an-kira, ny fifaninanana endrika amam-bika, lahy sy vavy, sns.
Fihenam-bidy
Tolotra manokana amin’ity “Festikate 3” ity ny fihenam-bidy ho an’ireo ho avy any an-toerana, amin’ny alalan’ny Ticket place, 450 000 Ar isan’olona raha tokony ho 2 tapitrisa Ar isan’olona izany. Miaraka ao ny saran-dalana Antananarivo-Antsiranana (mandroso sy miverina), ny fampiantranoana (11 andro sy 10 alina), ny sakafo (maraina, atoandro, hariva). Eo koa ny fitsidihana ny toerana ara-pizahantany, toy ny Valanjavaboahary Ankarana, ny Montagne d’Ambre sy ny Montagne de Français, ny helidranon’i Sakalava, ny morontsirak’i Ramena, sns.
Njaka Andriantefiarinesy