Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Analamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina ihany koa ny mpivarotra ka miantraika betsaka eo amin’ny tsena andavanandro izany. Antony mahatonga izao fiakaran’ny vidin’atody izao ny vidin-katsaka izay tsy latsaky ny 1 500 Ar ny kilao. Mihena, araka izany, ny isan’ny mpiompy, mihena ihany koa ny vokatra azo.
Tandidonin-doza ny seha-pihariana akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Lany ividianana akora fototra ny 70% ny renivolam-pamokarana ka matiantoka izy ireo. Ny volana febroary teo, tafakatra 2 000 Ar ny kilaon’ny katsaka ka nampikaikaika ny mpiompy. Akora fototry ny fiompiana ny katsaka saingy mbola ambany ny famokarana izany eto Madagasikara.
Henintsoa H.