Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana ho anisan’ireo hofantenana ho ministra, ho an’i Vololomboahirana Haingotiana Laurence, fantatry ny maro amin’ny anarana Haingo Paradis Madagasikara. Ny fahatsapana ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka no tena nanosika azy hirotsaka hofantenana amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nanambara izy fa ny toeran’ny minisitra misahana ny sosialim-bahoaka no iriny. Niantso ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ihany koa izy mba hijery akaiky ny antontan-taratasin’ireo hofantenana sy ny heviny avy.
«Efa mihohoka ny vilanin’ny Malagasy, maika ny sosialim-bahoaka ary fotoana izao handraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena», hoy i Haingo Paradis Madagasikara, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Vonona tanteraka izy, araka ny nambarany, ary sahy handray ny andraikitra izay heveriny ho vitany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nosafidiny manokana ny minisitera misahana ny mponina sy ny sosialim-bahoaka, noho izy manana traikefa sy fahaiza-manao mahakasika izany. Araka ny nambarany, 17 taona izy no nisehatra teo amin’izany sosialim-bahoaka izany, ary ny traikefa sy fahaiza-manao tao anatin’izay taona maro izay no entina manarina sy manatsara ny asa sahanina. Tsy miankina amina antoko politika na natolotr’olona izy amin’izao firotsahana hofantenana ho isan’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta izao.
Lin