Efa manana ivontoerana mikirakira ny fanangonam-baovao eny ifotony mandritra ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC. Tanjona ny hanangana Centre multimédias manatsara ny asa mifandraika amin’ny serasera sy fizarana vaovao marim-pototra. Hampiasaina ao anatin’io ivontoerana io ny fitaovana momba ny teknolojia vaovao natolotry ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, Andrainarivo. Ahafahana manamafy ny rafitra fanairana mialoha koa ny fisian’ ny fitaovan-tserasera avo lenta sy manafaingana ny fampitana ny vaovao samihafa hisorohana ny voka-dratsin’ ny voina miseho (rivodoza, tondradrano…). Rehefa tonga ara-potoana ny vaovao avy eny ifotony, haingana ny fanomezana vahaolana ao anatin’ ny hamehana sy mandritra ny fiarenana aorian’ny fiatrehana izany, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja.
Firenena fahefatra marefo manoloana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, voalohany aty Afrika misedra matetika ny fandalovan’ ny rivodoza saika isan-taona. Anisan’ny olona mitondra takaitra mavesatra aorian’ny voina ny vehivavy sy ny ankizivavy, ka mila mahazo vaovao haingana ny tomponandraikitra hiomanan’ny mponina voakasika mialoha, araka ny fanazavan’ny solontenan’ ny UNFPA eto amintsika, Josiane Yaguibou. Vonona hatrany ny UNFPA hanohana ny BNGRC indrindra ireo hetsika miantefa amin’ny vehivavy.
Vonjy