INDRAY MIJERY

Nidina an-dalambe sy nandoro kodiarana teo akaikin’ny CEG Nanisana ireo mpandroaka fako eo an­ivon’ny Samva, omaly tolakandro. Anton’izany ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny karama. Vokany, nikorontana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tonga nanatsahatra ny hetsika ireo mpitandro filaminana ny hariva. Nilamina ny teny an-toerana taorian’izay.
Nisy ny atrikasa mahakasika ny fanentanana ny olom-pirenena ho amin’ny fampanjakana ny zo ho an’ny olona manana fahasembanana amin’ny alalan’ny radio, nandraisan’ireo sokajin’olona ireo anjara. Fikasana hamerina ny fandaharana “Toa anao koa izy” ny taona 2016-2017, ity fikaonandoha ity.
Raha vao mifarana ny fotoam-pahavaratra iray, efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny vanim-potoana manaraka ny ekipan’ny BNGRC. Ao anatin’ny fametrahana lamina hiatrehina ny fotoam-pahavaratra 2024-2025 ny tomponandraikitra rehetra amin’izao fotoana, miaraka amin’ny teknisianina, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, omaly. Nihena isan-taona ny isan’ny olona maty sy ny traboina vokatry ny fandrindrana ny asa eny ifotony.
Hafana hatrany ny andro, amin’ny ankapobeny, saika manerana ny Nosy, raha hangatsiaka kosa ny maraina noho ny fisian’ny andian-javona aty amin’ny faritry ny afovoantany sy any Atsinanana. Fotoana mampirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana izao ka mila ampifanarahana amin’ny toetry ny andro sy ny maripana ny akanjo anaovana.

Partager sur: