“Mada Gospel Festival” : tarika ampolony no handray anjara

Maro ireo mpanakanto namaly ny antso. Tsy hifanotrona amin’ny Tana Gospel Choir fotsiny fa tena handray anjara feno amin’ny hetsika izy ireo.

Maro mpanaraka ireo “Mada Gospel Festival Challenge”. Nampidi­tra an’ity hetsika lehibe voalohany ho an’ny gospel ity izany, nandritra ny andro vitsivitsy. Ni­tondrana lohahevitra mifandray amin’ny gospel, izay nalefa tamin’ny pejy Fa­ce­book an’ny hetsika. Naha­li­ana ny maro, ohatra, ny lohahevitra “Miaraka ve ny gospel sy ny lamaody?”, izay nentin’i Tikna Rama­nan­tsoavina, mpa­mo­ron-dama­o­dy. Teo iha­ny koa ny “Paikady hampiavaka ny tarika iray” nentin’i Co­a­ch Fidy, ny “Pai­ka­dy mitondra avo ny sehatra mozika” nozarain’i Seta Rama­ro­son, ary ny “Inona no atao raha te ho sangany amin’ny gospel ?”, izay nozarain’i Tantely Rabaonary.
Fa hanomboka ny alakamisy 25 jolay izao kosa ny tena hetsika, ka haharitra he­fa­rana izany. Tarika mpanao gospel maro no namaly ny antson’ny Tana Gospel Choir, izay tompomarika amin’ny fikarakarana. Anisan’ireny ry Pasteur Jocelyn Ranjarison, GMMC, The Singer’s of Jesus, Meva Gospel, La Chorale, Iz’art Gospel, Jaws Band, Lovatiana, NTC, Aaron Pretra, Iary, Revival, The New Called, Pray’F, CMJ sy ireo mpanakanto maro hafa. Ao amin’ny Havoria, ORTM Ano­sy, ny tena ivon’ny hetsika rehetra mandritra ireo efatra andro ireo.
Hisy atrikasa maromaro manodidina ny mozika amin’ny ankapobeny sy ny gospel manokana ihany koa ny telo andro voalohany. Mahakasika ny “harmonisation gospel” ny hanokatra izany ny alakamisy, hotarihin’i Tsilavo Rabenjari­soa. Manaraka avy eo ny mahakasika ny “direction artistique” hozarain’i Coach Fidy. Mahakasika ny “orchestration” ny atrikasa zoma, hizaran’i Njaka Rakotonirainy sy i Josia Rakotondravohitra ny talentany. Mahakasika ny fandraisam-peo sy ny manodidina azy kosa no hozarain’i Jersy Raza­findraibe na i Poum ary ny mahakasika ny feo kosa no hoentin’i Heman. Hofaranan’i Joro Rakotozafiarison amin’ny atrikasa momba ny gitara fotsiny izany, ny sabotsy.
Ankoatra ny fampisehoana sy ny atrikasa, hisy ihany koa ny “Quiz gospel”, lalao misokatra ho an’ny rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: