Rugby – «Top 20»: hifindra etsy Malacam ny fifaninanana

Hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana “Top 20, taranja rugby”. Antony, mba tsy hampitarazoka ny lalao izay mifanindran-dalana amin’ny “Top 12”.

Manomboka ny alahady 28 jolay ho avy izao, hifindra etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondaka ho an’ny “Federal 2” na ny “Top 20”, taranja rugby. Ho fandaminana sy tsy hampitarazoka ny lalao izay mifanindran-dalana amin’ny “Top 12” ny anton’izany. Araka ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby, hatao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana ho an’ny “Top 12” ary etsy Antanimena ny an’ny “Top 20”, mandra-pahatapitry ny fifaninanana.

Ho any Toamasina
Ho an’ity farany, midina any Toamasina ny ekipa voatondro hidona amin’ny ekipan’ Atsinanana. Na izany aza, hisy ihany fotoana hiakaran’ izy ireo eto Antananarivo hanaovany ny fifanintsanana ka mety ho lalao roa ny hataony amin’izany. Hatao eto an-dRenivohitra daholo kosa ny fihaonana amin’ny CEA Andranomanalina izay fileovana nisoratra amin’ny ligin’i Vakinankaratra.
Marihina fa mbola vao eo amin’ny andro faharoa izao ny fifaninanana ho an’ity “Top 20” ity. Hiadian-toerana hiakarana ao amin’ny “Top 12” amin’ny taom-pilalaovana manaraka ity fifaninanana “federal 2” ity. Tafita avy hatrany izay tompondaka ary hanao lalao sakana amin’izay laharana faha-11 ao amin’ny “Top 12” ny faharoa.

Tompondaka

Partager sur: