Soavinandriana: Karatany 3 072 sy titra 200 voazara

Natao ny zoma teo ny fizarana karatany sy titra faobe ao amin’ny faritra Itasy, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière, (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Miisa 3 072 ireo karatany voazara tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrika Soavinandriana, 200 isa kosa ny titra nozaraina. Miantoka ny fampiroboroboana ny famokarana ny fananana azy io, antony nahatonga ny tetikasa nanao ny fizarana karatany faobe ho fanavaozana ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Miisa 403 ny birao ifoton’ny fananantany (BIF) napetraky ny Casef sy efa miasa amina faritra 14 manerana ny Nosy. Maherin’ny 1 390 000 isa kosa ny karatany voazara nandritra ny hetsika faobe natao.

Tombontsoa

Betsaka ny tombontsoa nentin’ny tetikasa tamin’ireo tantsaha mpamokatra, mba hampiroboroboana ny seha-pihariany sy ny toekarena tamina kaominina maro teto amin’ny firenena. Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 708 000 ny tokantrano tantsaha nisitraka mivantana ny asan’ny tetikasa. Afaka niditra eo amin’ny sehatry ny tsena ihany koa ny 60% ny mpamokatra raha maro kosa ireo orinasa nahazo tombony tamin’ity tetikasa ity hatrany. Nataon’ny tetikasa Casef laharam-pahamehana hatrany ny famantarana ny filan’ny mpamokatra sy ny fampitaovana azy ireo hampiroborobo ny seha-pihariany.

Henintsoa H.

Partager sur: