Saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Belalôgno, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny rongony roa gony. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ity jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ity ny zandary ka nahafahana nanao ny vela-pandrika. Roa lahy izy ireo no nitondra entana tao amin’ny fokontany Ambodiadabo saingy tafaporitsaka ny iray. Nambarany, nandritra ny famotorana azy, fa avy any Befandriana Avaratra saika hamidy ao Maroantsetra ireto zava-mahadomelina ireto. Milaza izy fa efa misy olona mpandray ny entana ao an-toerana. Ao anatin’ny fanadihadiana ny zandary ka manao ny fomba rehetra hitadiavana ny mpandray ny entana mba hahafahana mamongotra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Maroantsetra.
J.C