TARATRY ny KANTO

«Concert best of 110 ème STK». Seho an-
tsehatra hotontosaina eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala. Ny Sampana tanora kristianina ao an-toerana no hihira ny sanganasan’i Henri Ratsimbazafy, Ndrantoson Georges, Bessa, Noel Rakotoarivony, Mamiharilala Rasolojaona, Dr Miharilaza Andriamiadamahatratra, Aimé Raoeliarijaona. Seho an-tsehatra hiarahan-dry zareo amin’ny Elsie, Mahery ary Lilie. Hitendry ny orgue diamondra kosa i Sonn Clavier sy i Rivo Rakotoarimalala.
“Vetsom-bavaka an-kira” eny amin’ny Ekar Saint Michel Itaosy. Manome fotoana ireo mpankafy ny hira katolika ry zalahy Vetsonkira ny alahady 26 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora hariva. Ora maromaro hiverenena indray ireo hira tsy tontan’ny elan’ny katolika, tendrena amin’ny gitara sy ny amponga, arahina feo manga.
Mitombo isa ireo sekoly manandratra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Ny ankamaro­an’ireny, saika ireo tsy miankina amin’ny fanjakana. Amin’ny ankapobeny, efa filan’ny vanim-potoana ankehitriny izy io, saingy, mbola olana ho an’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Manjary miampy ny saram-pianarana, raha ny fanazavan-dry zareo. Na izany aza, ankatoavin’ireo nahitana masoandro ny hanabeazana ny taranany amina kolontsaina malagasy.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Festival Temps Fort Danse”. Hetsika hampivelarana sy hanomezana sehatra ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara. Eny amin’ny IFM Analakely, ny 28 Aogositra hatramin’ ny 14 septambra 2024, no hanatanterahina izany. Fampisehoana, atrikasa ary velakevitra no handravaka ny fandaharam-potoanan’ny hetsika.

Partager sur: