Tenisy – Davis Cup 2024 : laharana fahadimy ny Akomba de Madagascar

Teo ho eo ny vokatra azon’ny Akomba de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», sokajy «sénior», lehilahy, eo amin’ny taranja tenisy. Tsy nisondrotra ny sokajy saingy nitana ny laharana fahadimy.

Nifarana ny alahady lasa teo, tany Botswana, ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», taranja tenisy ho an’ny sokajy lehilahy. Nitana ny laharana fahadimy ny Akomba de Madagascar, rehefa nandresy an’i Ouganda, tamin’ny isa 2 no ho 0. Fihaonana natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny National Tennis Center, Gaborone.

Fandresena azon-dRa­ko­ton­dramanga Antso nanoloana an’i Troy Adrian Zziwa. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0) ity mpifanandrina taminy ity. Tsy niady mihitsy ny lalaon’izy mirahalahy fa toy ny nanao fanazarantena fotsiny i Antso. Tsy naharitra afa-tsy 57 mn ny faharetan’ny lalaon’izy mirahalahy.
Mbola tamin’io seta 2 no 0 io ihany koa ny nanilihan-dRakotondrasoa Valentin an’i Marvin Kiriwo, teo amin’ny lalao faharoa. (6/0 ; 6/0) koa no nisarahan’izy mirahalahy. Tsy nanohitra mihitsy ilay Ougandais fa niandry sarahina. Tsy noraisin’Ouganda ho zava-dehibe intsony ity lalao fiadian-toerana ity fa nataon’ izy ireo zara fa vita fotsiny.

Marihina fa mijanona ao amin’ny sokajy fahadimy ny Akomba de Madagascar, amin’ ny taona 2025. Tsiahivina fa niady ny laharana voalohany tao amin’ny vondorna «C» ny Akomba de Madagascar, ta­min’ity. Fandresena indroa sy faharesena iray ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena ma­lagasy. Nandresy an’i Lybia sy i Lesotho, avy eo lavon’i Botswana. Io faharesena nanoloana an-dry zareo botswanais io no nanakana ny lalan’i Madagasikara tsy nahafahana niady ny hiakarana ao amin’ny sokajy fahefatra.

Dingana manaraka ho an’ny Federasiona malaga­sin’ny tenisy (FMT), ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, sokajy “junior” sy ny “vétéran”, hatao eny amin’ ny COT Ilafy, ny 29 jolay – 4 aogositra 2024.

Tompondaka

 

Partager sur: