Bakalorea : mpianatra efatra tratra nangala-tahaka

Vao manomboka ny andro voalohany, mpianatra efatra mianadahy sahady no sarona tamin’ny alalan’ny fampiasana finday mba hangalana tahaka ny laza adina. Iray tao amin’ny ivontoeram-panadinana Ly­cée Jacques Rabemanan­jara Toamasina, afakomaly, raha tao amin’ny ivontoeram-panadinana ao Brickaville kosa ny telo. Tao anatin’ny angom-baovao no nahafan­tarana fa alain’izy ireo sary amin’ny finday ny laza adina ka alefany mankany amin’ny olona iray afaka manao ny valiny marina. Averina indray avy eo ka mandika fotsiny sisa ataon’ireo mpiadina ao an-dakilasy, kanjo tratra. Mpi­anatra 29 mianadahy avy amina sekoly tsy miankina iray koa no tsy afaka nandray anjara tamin’ity fanadinana bakalorea ity. Nahaloa ny saram-pisoratana anarana sy saran’ny fampianarana tao amin’ny sekoly nianarany anefa izy ireo. Fantatra fa voasolokin’ny mpampianatra sy tompon’ny sekoly izy ireo. Tsy nahitam-bahaolana intsony anefa izy ireo noho ny tsy fa­hazoana ny taratasy fiantsoana. Na eo aza ny indrokely amin’ireo mpiadina sasantsasany toy izao, mizotra am-pilaminana ny fanadinana bakal­orea. Manao izay ho afany amin’ny fitandroana ny filaminana rahateo ny mpitandro filami­nana.

Sajo

Partager sur: