Course de côte defi Bardahl: hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay ho avy izao ny dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Slalom sy ny Course de côte defi Bardahl 2024. Fifaninanana karakarain’ny klioba TACS ary hatao eny amin’ ny vohitr’i Manintona sy Ambohidava. Lalan-tany mirefy 2,83 km no hifaninanana amin’ity. Fihaingana eo Manintona ary eny Ambohidava ny fahatongavana. Tsy maintsy manatontosa dingana enina ny mpifaninana rehetra amin’ity. Afaka entina mpanamory roa ny fiara iray. Ireo fiara ankatoavin’ny federasiona sport-auto malagasy (FSAM), amin’ny andro hanatontosana ny fizahana teknika ihany no afaka mandray anjara amin’izany.
Hisy ny andrana malalaka, mialoha ny tena fifaninanana. Manana safidy ny mpanamory na hanao izany na tsia. Aorian’io, ny andrana fakana fe-potoana, hijerena ny filaharan’ireo mpanamory miainga voalohany.
Hatao ny sabotsy ny dingana telo voalohany ary ny alahady kosa ny telo farany. Hifarana rahampitso ny fara fisoratana anarana.

Tompondaka

Partager sur: