EPP Ivato Tanàna : nofanina hahay hanavaka fako ny ankizy

Notanterahina teny amin’ny EPP Ivato, omaly, ny fanolorana ireo fitaovana fanavahana ny karazana fako ho an’ity sekoly ity. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “Concours fresque” notanterahin’ny fikambanana Maeva no nahazoana ny fitaovana.
Beazina hanavaka ny fako maina mety potika, toy ny taratasy sy gazety, kahie rovitra, baoritra… ny ankizy. Atokana toerana ihany koa ny fako tsy mety levona, toy ny tavoahangy plastika, fonona vatomamy sy biskoy, harona plastika sy boaty, ny aliminioma….
“Zava-dehibe ny fahaizana manavaka ny karazana fako amin’ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy ny lehiben’ny tetikasa “Concours Fresque”, Raharimihajason Rotsy. Miteraka fofona ratsy ny fifangaroan’ireo fako ary manimba ny fahasalamana. Mamboly foto-pisainana vaovao any amin’ny ankizy ihany koa ny fampiofanana azy ireo amin’izany fanavahana ny fako izany. Entiny any an-tokantrano sy eny anivon’ny fiarahamonina ny fiofanana azony.
Ireo ankizy 6 hatramin’ny 14 taona ao amin’ny kilasy 7ème sy 8 ème no nomena fiofanana tao amin’ny EPP Ivato Tanàna. 80 ireo ankizy navitrika tamin’ny fiofanana. Hiitatra amin’ireo sekoly ao amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra indray ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: