Tokony hotendrena ireo filoha lefitra roan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), hoy ny mpanolotsain’ny Tanàna, Lalatiana Ravololomanana. Ny minisiteran’ny Atitany no manapaka momba izany. Tokony ny iray amin’ireo filoha lefitra no mitantana rehefa tsy eo ny PDS, fa tsy ny sekretera jeneraly.
Tokony manontany tena ny Malagasy hoe: ilaina ve ny Ceni? hoy ny mpandinika politika Ralambomahay. Manolo-kevitra fotsiny ny Ceni ny amin’ny tetiandrom-pifidianana, fa ny governemanta no manapaka. Nefa ny governemanta amin’izao tsy mirotoroto. Raha mihemotra ny fifidianana kaominaly, izay tian’ny mpitondra izany no atao fa tsy misy lalàna.
Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina, mahakasika ny teti-bola ara-pandaharanasa. Ireo kaominina ao amin’ny faritra Atsinanana no misitraka izany amin’izao. Tanjona ny hahafehezan’ireo tomponandraikitra eny ifotony ny andraikiny mba hisian’ny tena fitsinjaram-pahefana sy ny fandrosoana eny ifotony.
Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, omaly, teny amin’ny Lapan’iTsimbazaza, ny avy amin’ny ”Communauté royale de Madagascar”, notarihin’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa. Samy naneho ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro ny roa tonta, nandritra ny fihaonana.