Fihariana : vidiana 35 000Ar ny kilaon’ny cacao

Miakatra hatrany ny vidin’ny cacao hatramin’ny fiandohan’ny taona, na eto amin’ny tsena anatiny na eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankehitriny, manodidina ny 35 000Ar ny kilao raha toa ka 40 000Ar izany taloha, rehefa novidiana 17 000Ar ny kilao. Tsy mifandanja ny tolotra sy ny tinady, mihena ihany koa ny tahiry maneran-tany. Na izany aza, maherin’ny 11 000 dolara ny vidin’ny iray taonina amin’ny cacao raha toa 5 300 dolara izany tamin’ny fiandohan’ny taona.
Voafehy ny volana marsa teo ny vidim-bokatra ao Sam­birano. Ahina hanimba ny tsena sy hiantraika eo amin’ireo mpisehatra samihafa ao amin’ity rojom-pihariana ity nefa ny zava-misy noho izy akora fototra entina hamokarana sokolà, hoy ny loharanom-baovao iray.
Miakatra

Misy fiantraikany ratsy ho an’ireo mpanodina cacao ny zava-misy. Izy ireo izay tsy afaka hampiakatra ny vidin’ny sokolà. Mbola vitsy rahateo ny mpanjifa ity vokatra ity eto Ma­dagasikara. Noho izany, « tokony hampiofanina ireo mpamokatra mba hanatsara ny kalitaon’ny vokatra », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, niara-nisalahy nampiofana ireo mpamokatra ao Brickaville ireo mpiara-miombon’antoka samihafa hanatsarana ny kalitaon’ny sokolà ataon’ireo mpisehatra madinika.
Marihina fa mitazona ny laharana voalohany maneran-tany ny Cacao fin malagasy. Manana kalitao tsara indrindra izy sady voamarina fa Bio.

Henintsoa H.

Partager sur: