Filoha Rajoelina teny Ivato: «Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly »

Vaindohan-draharaha amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa eny anivon’ny seranam-piaramanidina ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Maro kosa ireo vina hotanterahina aorian’izay.

Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Niara-dalana taminy, nandritra izany, ireo tomponandraiki-panjakana maro, anisan’izany ireo minisitra. Anton’izao fidinana ifotony izao ny fitarainana maro tonga tany amin’ny filoha. Nandritra izany ny nijerena ny fomba fiasan’ireo rantsa-mangaika samihafa mampandeha ny seranam-piaramanidina. Tao anatin’izany ihany koa no nitafana tamin’ireo tomponandraikitra maro eny an-toerana. Nijerena ireo olana samihafa, ary nanolorana vahaolana mahakasika izany.
Hisy ny fepetra hentitra ho­raisina ho an’ireo tratra manao izany fanararaotana sy kolikoly izany, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Anisan’ny hodinihina ary handraisana didim-panjakana, mandritra ny filankevitry ny mi­nisitra, anio, ihany koa ireo fepetra entina hanatsarana ny fomba fiasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina. Anisan’izany ny fanatsarana ny kalitao sy ny fenitry ny asa sy ny mpiasa. Eo ihany koa ny fanamorana ireo dingana lalovana amin’ny fandehanana fiaramanidina, na amin’ny sidina anatiny izany na ho an’ny mankany ivelany.
Tafiditra ao amin’ny Poli­tika ankapoben’izao fitondram-panjakana izao ny fitsinjovana ny maha olona sy ny fanjakana tsara tantana miady amin’ny kolikoly. Izany indrindra no nidinan’ny filohan’ny Repoblika ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato noho ny faharenesana fitarainana mahakasika ny fomba fiasan’ny eny amin’ity toerana ity, amin’ny tsy fanajana ny maha olona sy ny kolikoly samihafa. “Tsy ekena ny fandotoan’olom-bitsy ny eza­ka fanatsarana maro ataontsika ho fampandrosoana an’i Ma­dagasikara”, hoy ny filoham-pirenena.

Lin

Partager sur: