Gasy Ploit- 10 taona : santatry ny fankalazana ny « Urban mood »

Natao teny amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny hetsika “Urban mood”.

Hotanterahina ny sabo­tsy 27 jolay 2024, eny amin’ny PK 0 Soarano, ny «Urban Mood». Hetsika karakarain’ny Gasy Ploit, to­hanan’ireo mpiara-miasa maro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Gasy Ploit ity fampisehoana ity. “Tanjon’ny hetsika ny hanandratana sy hanomezana sehatra ireo talenta vaovaon’ny Rap gasy. Eo ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy anay hatramin’izay”, hoy i Agrad, anisan’ny tomponandraikitry ny hetsika. Miray vina amin’izay fampivelarana ny zavakanto sy fanandratana ny mpanakanto izay ihany koa ny Telma Madagascar, anisan’ireo manohana ny hetsika.
Anisan’ny hanokafana ny fankalazana ny faha-10 tao­nan’ny Gasy Ploit ity fampisehoana ity. Notsindrin’i Agrad, nandritra izany, fa tsy mivaky na hoe rava akory ny Gasy Ploit fa izy sy Tsota fotsiny no nanana fahafahana hanao izany fampisehoana fankalazana ny faha-10 taonan’ny vondrona izany. Hizara telo mazava tsara ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ny tapany voalohany, hanatontosana ny dingana famaran’ny fifaninanana “Fantsy line”. Tricia sy ALP kosa no hiaka-tsehatra mandritra ny tapany faharoa ary i Tsota sy i Agrad no hanafana ny tapany fahatelo.
Hampiavaka ny “Urban mood” ihany koa ny haingon-tsehatra sy ny jiro maro samihafa. Raha ho an’ny hiran’ireo mpanakanto indray dia hahazo sehatra ireo hira nankafi­zan’ny maro azy ireo hatra­min’izay, nefa tsy fanaon’izy ireo rehefa an-tsehatra. “Tsy nasaina izahay fa tompony amin’ity fampisehoana ity ka hahazo tombony ianareo mpankafy sy mpanaraka anay hatramin’izay”, hoy i Tsota, anisan’ny Tomponandraikitry ny hetsika.

Lin

Partager sur: