INDRAY MIJERY

Eto amintsika, tsy azo ifohana sigara ny toerana mihidy vory olona betsaka (biraom-panjakana, toeram-pisakafoana…) fa misy lamandy 2 500 Ar ho an’ireo olona tratra manao izany.

Tontosa ny fanavaozana ireo boky miisa 12 fampiofanan-tena hahafehezana ny teny frantsay izay fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra (Fadep). Nosokajiana anaty kasingam-pahafehezana telo: «compréhension orale» sy ny «compréhension écrite» ary ny «grammaire et lexique», anatin’ny tetikasa «Apprendre» ary vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny AUF izany.

Mandray ny rehetra maniry hamaky boky na hanao fikarohana ny American Center eny Andranomena. Isaky ny talata sy alarobia ary zoma no misokatra ny toerana. Feno boky isan-karazany ary mety amin’ny salan-taona rehetra ao. Tsy mbola mamoaka karatra maha mpikambana izy ireo.

Manodidina ny 60 000 ny isan’ireo mpianatra manala fanadinana hahazoana fahazoan-dalana hitondra fiara isan-taona, ary 53 no isan’ny mpanadina. Nofanina ireo mpanadina hampitomboana ny isan’izy ireo sy ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanadinana. Miisa 31 ireo mpiofana ho mpanadina, haharitra roa herinandro.

Partager sur: