“Mazava ny tenin’ny
filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina: ny fifidianana sy fitondrana olona ho mpikamban’ny governemanta dia olona maharaka ny diany sy ny hazakazaka fampandrosoana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholohan’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor, momba ny fanendrena minisitra amin’ny fandrafetana ny governemanta vaovao amin’izao. Tsy misy kinamanamana izany; tsy misy halako bika, tsy tiako tarehy. Ny olona mahafeno ny fepetra araka ny masontsivana no ilaina. Izay no nahatonga ny hoe nampanaovina fianianana ny olona tendrena ho minisitra, anaovana tomban’ezaka isaky ny 100 andro amin’ny asa vita. Satria olona mandray andraikitra izany minisitra izany, ary takina hahazo vokatra.
Ny olona manana kolontsaina hahazo vokatra, ny olona tena vonona hilofo 100 % amin’ny fanatrarana ireo andry telo amin’ny fampandrosoana ao amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tsy inona izay fa ny fanomezana tombondahiny ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fitondrana tsara tantana. Izay no olona mendrika ho mpikamban’ny governemanta. Tsy afaka hiara-miasa amin’ny governemanta eo izay tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny asan’ny filohan’ny Repoblika. Satria ambony loatra ny fiandrasan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana.
Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta, araka ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana. Tsy misy afa-manao tsindry ankolaka ny amin’izany ny mpanao politika amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera samihafa? Na hanao vinavina amin’izay ho minisitra…
R. Nd.