Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nahavan-doza namono nahafaty an’i Miah teny Nanisana. Voasambotry ny polisin’ny BC2 andro vitsy taorian’ny fahafatesan’io tovovavy io ity sakaizany nahavanon-doza ity.
Nosarontsaromana tamin’ny lozam-piarakodia, tratra ihany ny tompon’atoka mivantana tamin’ny fahafatesan’i Miah, ilay tovovavy fanta-daza tamin’ny filalaovana “Echecs”. Ny sakaizan’io tovovavy vao erotrerony io no namono azy. Hita faty nihoson-dra teny amin’ny lalana avy any Analamahitsy mihazo an’i Nanisana i Miah, ny 17 jolay teo. Nalain’ny BMH ka naterina teny anivon’ny tranom-paty HJRA ny razana tamin’io fotoana io. Nanokatra fanadihadiana ny polisim-pirenana. Voamarina tamin’ny alalan’ny “camera” teo amin’ny toerana tsy lavitra nitrangan’ny loza ny fiara nandona ilay lasibatra. Ankoatr’ io, nampiahiahy ny fianakavian’ny maty sy ny olona akaiky azy koa ny tsy fahitana io sakaizany io nandritra ny fikarakarana ny razana teny am-bohitra. Nosamborina ary natao fanadihadiana, noho izany, io sakazain’i Miah io.
Noterena hanala zaza
“Nitoe-jaza ilay tovovavy ka nanery azy hanala izany ilay sakaizany”, araka ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika faharoa (BC2). Namoron-kevi-dratsy hamonoana io tovovavy io, noho izany, ilay lehilahy tsy valahara. Nifanao fotoana hihazakazaka maraina i Miah sy io lehilahy io, ny marain’ny alarobia 17 jolay. Nanda tampoka, tsy nandeha, io sakaizany io izay efa namolavola ny teti-dratsiny. Nodominy tamin’ny fiara, araka izany, ilay tovovavy ka niafara tamin’ny famoizana ny ainy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha omaly. Notanana eny Tsiafahy ilay tovolahy 28 taona nahavanon-doza.
Tsiferana R.