Ping pong – Tompondakan’i Afrika: nahazo ny laharana fahatelo i Madagasikara

Nahavita zavatra goavana nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Botswana ny ekipa malagasy, ny herinandro lasa teo. Manana fanamby ny hiatrika lalao maneran-tany izy ireo.

Tsara ny vokatra! Mada­gasikara no nahazo ny laharana fahatelo ta­min’ireo firenena 17 nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, Ping pong, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy, izay natao tany Gaborone Botswana, ny 15-21 jolay lasa teo. Tonga eto an-tanindrazana, omaly, ireto delegasiona malagasy nahazo medaly telo, volamena iray sy alimo roa, ireto.
Tsara marihina fa voahosotra ho tompondaka tamin’ny lalaon’olon-droa, sokajy vehivavy, i Madagasikara, izay ahitana an-dRakotondrazaka Ranto Oceane sy Rina May­ane. Tsara ny mampahafantatra fa mpirahavavy izy roa ireto, ary avy any Toamasina ny fiaviany.
Teo amin’ny lalaon’ny isan-tarika kosa samy laharana fahatelo avokoa ny ekipa malagasy, lahy sy vavy. Ny le­hilahy, izay misy an-dry Harry, David, sy Josh ary Jérémy. Ry Oceane, Gracia sy Mayane ary Takuya kosa ny teo amin’ny sokajy vehivavy.
Ankoatra izay, nilaza ny tale teknika nasionalin’ny Fe­derasiona malagasin’ny ping-pong (FMTT), Rakotoarisoa Tahiry, fa hametraka fangatahana any amin’ny Federa­siona afrikanina (ATTF) mba hahafahan’i Madagasikara hampiantrano ity fifanintsanan’i Afrika ity, ny taona 2026. Notsiahiviny ihany fa saika nampiantrano izany i Madaga­sikara ny taona 2020, saingy nofoanana ilay hetsika noho ny valanaretina Covid- 19.

Hoy izy ireo :
Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, tompondakan’i Afrika, olon-droa, vehivavy
“Tsy kivy mihitsy izahay nanoloana ny mpifanandrina rehetra tany Botswana. Sarotra ho anay ny nandresy ny mpilalao tonizianina, teo amin’ny famaranana, saingy niezaka foana nanohitra azy ireo. Tanjona ho anay mirahavavy ny hiatrika ny lalao olympika.”

Rakotoarisoa Tahiry, tale teknika nasionalin’ny FMTT
“Dingana ihany no vita, hiezaka izahay ato amin’ny Federa­siona ny hampivoatra ireo ankizy ary indrindra ny handraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.”
Fitia Randria

Partager sur: