Ho ambohipihaonan’ireo mpanakanto zokiny nivoy sy mivoy ary mbola hivoy ny rap sy ireo mpankafy ny sehatra maitso Analamahitsy, ny tolakandron’ny alahady 28 jolay ho avy izao. Fampisehoana tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-50 nahaterahan’i Slam Jah, izay mpikarakara ity hetsika ity rahateo no hotontosaina eny an-toerana. Tanjona ny hahafahana mampivondrona indray ireo mpikirakira sy mpankafy ny mozika rap eto Madagasikara. Hitondrana ainga sy aina vao indray ho an’io mozika mpitondra hafatry ny fiarahamonina io, raha ny fanazavany. Fantatra fa efa tany amin’ny taona 1991 no nanapa-kevitra ny hilalao sy hiditra lalina anatin’ny mozika rap sy ny sehatry ny fandihizana ary mbola tsy mitsahatra ny mpitrandraka izany mandraka ankehitriny i Slam Jah.
Anisan’ireo hanafana ny sehatra eny Analamahitsy ry Takodah & Ngah be, Big Tovolah, Budah el Taga, Psykôpasy, Gunman, Rootsikalo, Mista & Bôska, Big Jimdah, Mc Tiganagar, Slim Jim Jah (zanak’i Slam Jah), Degga mtse, Mito, Doublenn, Be good’n, Ice to, IMTC ary ny Sekoltora. Ireto farany izay ivondronan’ireo ankizy tsy misy mpiahy manan-talenta amin’ny filalaovana ny mozika rap. Hikosoka ny kapila ny DJ Raynth- H.Man.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto