Soavina : tratra ilay tovolahy nangalatra vola vidina kisoa

Tratran’ny zandarimaria ny tovolahy iray nangalatra vola vidina kisoa nitetina an-tapitrisany tao Isaingy, kaominina Ampanefy, afakomaly. Niasa tao amin’ny mpampiasa anatin’io kaominina io izy. Nahalafo kisoa izay ompiany ao an-tanàna ny mpampiasa ka nanomboka hafahafa ity tovolahy ity, ny 13 jolay teo. No­robainy tokoa ny vola vidin’ny kisoa. Nandositra izy ka nanararaotra nividy fitaovana toy ny radio carte sy borety. Name­traka fitoriana momba io tranga io ny tompom-bola. Nokarohina ny nahavanon-doza. Naharay loharanom-baovao rahateo ny zandary mahakasika ny olona voarohirohy. Nosamborina, vola valo hetsy Ar mahery sisa tra-tehaka teny amin’io mpiasa io. Nanaovany fiainana avokoa ny sisa, araka ny fanazavany ta­min’ny zandary nanao famo­torana. Natolotra ny fampanoavana ity farany taorian’izay. Notanana vonjimaika am-ponja izy.

Tsiferana R.

Partager sur: